IZA MOA I MASERA THECLE MERLO
I Masera Tecla Merlo dia teraka tamin'ny 20 Febroary 1894 tao Castagnito (Cuneo Piémont- Italie). Faharoa amin'ny zaza efatra naterak'i Ettore Merlo sy Vinceza Rolando izy.
Vehivavy tsotra, tia vavaka, nanetry tena, nanan-tsaina ary nanam-paniriana lalina hanompo an’Andriamanitra eo am-panompoana ny mpiara-belona aminy no tiana hambara eto.
Tovovavy 20 taona i Thèrese tamin’izy nihaona voalohany tamin’i mômpera Alberione.
Tamin’io fihaonana io dia nifampizara ny tanjona kendreny avy izy ireo. Nandritra io fifampiresahana io ihany koa no nitsilovan’ny Fanahy Masina an’i mômpera Alberione ka niharihary taminy fa io tovovavy mazava fo io no nofidin’Andriamanitra hiara-hizotra aminy hanorina ny Fikambanana Filles de Saint-Paul.
Na dia mbola nanjavozavo tamin’i Thérèse aza anefa ny zavatra rehetra dia tsikariny tao amin’ny tenin’i mômpera Alberione ny fiantsoan’Andriamanitra azy, ka dia namaly hoe “Eny” tsy nisy fisalasalana fa tamim-pahafahana tanteraka izy. Nanolon-tena hanatanteraka ny tarigetran’i mômpera Alberione tamim-pinoana lalina. Nino fa izany no sitrapon’ Andriamanitra aminy.
Tamin’ny 29 jona 1922 no nanaovany ny voady voalohany sy nandraisany ny anarana hoe Tecla. Io anarana io no iantsoan’ny Filles de Saint-Paul azy eran-tany. Tena tontosan’i masera Tecla ny nampita tamin’ireo tovovavy nanaraka azy sy nankinina taminy ny endriky ny fiainan-drelijiozy sy ny apôstôlà paolinianina.
Hoy i masera Thècle «Ny fitiavana no ahitantsika ireo fomba hanaovana ny tsara. Izao tontolo izao no sehatra iasantsika.»
Tamin’ny 5 febroary 1964 izy no nodimandry, ary azo fintinina amin’ny fehezan-teny tsotra hoe: «Fiainana manontolo ho an’Andriamanitra” ny fiainan’i masera Tecla Merlo.