IZA MOA I MOMPERA JACQUES ALBERIONE
Olontsambatra Jacques Alberione dia teraka tao San Lorenzo di Fosano (Italia) ny 4 Aprily 1884. Zaza faha-dimy naterak’i Michel sy i Thérèse Alloco.
Ny taona 1900 tao amin’ny semineran’i Alba any Italia, i Jacques Alberione, raha vao 16 taona monja, dia efa nandinika lalina ny zava-dehibe nitranga teo amin’izao tontolo izao sy tao amin’ny Eglizy. Anisan’izany ny fihavaozana avy amin’ny fivoaran’ny indostria, ny rafim-pandaminana ny asa, ny tsy fanaovana ny vehivavy ho ambin’olona intsony, ny firotsahan’ny katôlika amin’ny sehatra rehetra: sôsialy, pôlitika, kolontsaina, toe-karena, ny tsy fahazotoan’ny olona mandeha mivavaka any am-piangonana,... ary indrindra ny herin’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona.
Tsapany avy amin’izany fa tena ilaina sy mahomby hampielezana ny hafatr’i Jesoa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona noho izy io manankery hitondra haingana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra.
Tamin’ilay alina nampitohy ny taon-jato faha-19 sy faha-20, taorian’ny Sorona Masina sasakalina nataon’ireo seminarista sy ny mpanabe tao amin’ny katedralin’i Alba, dia mbola nijanona nivavaka nadritra ny ora maro teo anatrehan’ny Sakramenta Masina i Jacques Alberione.
«Tampoka, hoy izy, indro hazavana tsy misy toy izany nivoaka avy tao amin’ny Sakramenta Masina. Tsapako lalindalina kokoa ilay fanaingan’i Jesoa manao hoe: “Mankanesa aty amiko ianareo rehetra!” (Mt 11,28). Tsapako tsara tamin’izany fa manana adidy lehibe aho hanomana ny tenako hiasa ho an’ny Tompo sy ny olombelona hiarahako miaina amin’ity taon-jato manomboka ity.»
Niroso hatrany izy ka nohamasinina ho pretra tamin’ny 29 jona 1907. Taona maro tao anatin’ny fahanginana, fivavahana, fianarana, no niomanan’i Jacques Alberione ho amin’ilay fotoana lehibe hanatanterahany ilay fiantsoana nanjohy azy.
Ny taona 1914 àry dia naoriny ny “Société Saint-Paul”, fikambanan-drelijiozy lehilahy ahitana pretra sy frera, izay mampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-
belona hitoriana ny Evanjely sy ny hafatr’Andriamanitra. Iray taona talohan’ny nanorenany ny Fikambanan’ny masera Filles de Saint-Paul.
Tamin’ny 26 nôvambra 1971 i mômpera Alberione no nodimandry, ary nasandratry ny Eglizy ho olontsambatra izy tamin’ny 27 avrily 2003.