IZA MOA I MOMPERA JACQUES ALBERIONE

Olontsambatra Jacques Alberione dia teraka tao San Lorenzo di Fosano (Italia) ny 4 Aprily 1884. Zaza faha-dimy naterak’i Michel sy i Thérèse Alloco. Niditra tao amin’ny trano fiofanana ho pretra Diosezianina tao Alba izy ny volana Oktobra 1900 ary nohamasinina ho pretra ny 29 Jona 1907.

Ho fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona dia nanorina ny fikambana Société St Paul  (Mômpera sy Frera) tamin’ny 20 Aogositra 1914. Taorian’izany dia ireto ihany koa ireo fikambanan-drelijiozy naoriny:

  • Société Saint-Paul (1914)
  •  Filles de St Paul (1915)
  • Soeurs disciple de Divin Maitre (1924)
  • Soeurs de Jésus Bon Pasteur (1938)
  • Soeurs Apostolines (1959)

 Misy ihany koa fikambanana lahika (instituts séculiers) noforoniny dia ny

  • Saint Gabriel Archange ( fikambanana ho an’ny lehilahy) (1960)
  • Marie de l’Annociation (fikambanana ho an’ny vehivavy) (1960)
  • Fianakaviana Masina (ivondronan’ny fianakaviana) (1960)
  • Jésus Prêtre (natao hoan’ny eveka na pretra diosezianina fa te hiaina ny fiainam-panahy paolinianina. (1960)
  • Cooperateurs Pauliniens (Fikamban’ny mpiara-miombon’antoka Paolinianina) (1917)

Ny tanjom-piainan’ny fianakaviana Paolinianina araka ny nanorenan’i Mômpera Alberione azy dia miaina sy mivelona manontolo ny Evanjely toy ny nataon’i Md Paoly. «Velona aho fa tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko » Gal 2,20

Ny 26 Novamba 1971, teo amin’ny faha 87 taonany izy no nodimandry rehefa avy notsidihin’i Papa Paoly faha-6. Nanasandry ny Papa Joany Paoly faha-2 ho ary lasa Olontsambatra tamin’ny 27 Aprily 2003.

Filles de Saint Paul

IZA MOA I MOMPERA JACQUES ALBERIONE

Olontsambatra Jacques Alberione dia teraka tao San Lorenzo di Fosano (Italia) ny 4 Aprily 1884. Zaza faha-dimy naterak’i Michel sy i Thérèse Alloco.

Ny taona 1900 tao amin’ny semineran’i Alba any Italia, i Jacques Alberione, raha vao 16 taona monja, dia efa nandinika lalina ny zava-dehibe nitranga teo amin’izao tontolo izao sy tao amin’ny Eglizy. Anisan’izany ny fihavaozana avy amin’ny fivoaran’ny indostria, ny rafim-pandaminana ny asa, ny tsy fanaovana ny vehivavy ho ambin’olona intsony, ny firotsahan’ny katôlika amin’ny sehatra rehetra: sôsialy, pôlitika, kolontsaina, toe-karena, ny tsy fahazotoan’ny olona mandeha mivavaka any am-piangonana,... ary indrindra ny herin’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona.

Tsapany avy amin’izany fa tena ilaina sy mahomby hampielezana ny hafatr’i Jesoa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona noho izy io manankery hitondra haingana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona rehetra.

Tamin’ilay alina nampitohy ny taon-jato faha-19 sy faha-20, taorian’ny Sorona Masina sasakalina nataon’ireo seminarista sy ny mpanabe tao amin’ny katedralin’i Alba, dia mbola nijanona nivavaka nadritra ny ora maro teo anatrehan’ny Sakramenta Masina i Jacques Alberione.

«Tampoka, hoy izy, indro hazavana tsy misy toy izany nivoaka avy tao amin’ny Sakramenta Masina. Tsapako lalindalina kokoa ilay fanaingan’i Jesoa manao hoe: “Mankanesa aty amiko ianareo rehetra!” (Mt 11,28). Tsapako tsara tamin’izany fa manana adidy lehibe aho hanomana ny tenako hiasa ho an’ny Tompo sy ny olombelona hiarahako miaina amin’ity taon-jato manomboka ity.»

Niroso hatrany izy ka nohamasinina ho pretra tamin’ny 29 jona 1907. Taona maro tao anatin’ny fahanginana, fivavahana, fianarana, no niomanan’i Jacques Alberione ho amin’ilay fotoana lehibe hanatanterahany ilay fiantsoana nanjohy azy.

Ny taona 1914 àry dia naoriny ny “Société Saint-Paul”, fikambanan-drelijiozy lehilahy ahitana pretra sy frera, izay mampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-
belona hitoriana ny Evanjely sy ny hafatr’Andriamanitra. Iray taona talohan’ny nanorenany ny Fikambanan’ny masera Filles de Saint-Paul.

Tamin’ny 26 nôvambra 1971 i mômpera Alberione no nodimandry, ary nasandratry ny Eglizy ho olontsambatra izy tamin’ny 27 avrily 2003.