Filles de Saint Paul

Tantaran’ny Filles de Saint-Paul eto Madagasikara

Ny fangatahana voalohany ny mba hiasan’ny masera Filles de St-Paul aty Madagasikara dia nataon’i Monsenera Jérome RAKOTOMALALA, eveka nitantana ny Diosezin’Antananarivo, tamin’ny 1978. Avy eo taorian’ny fangatahana nataon’i Monsenera Nicolas RAVITARIVO, eveka mpanampin’ny Kardinaly Victor RAZAFIMAHATRATRA, dia nanapa-kevitra ny lehibem-pikambanana foibe fa hanokatra ny fikambanana eto Madagasikara, eto amin’ny Diosezin’Antananarivo ny taona 1983.

Mba hahalalana tsara ny zava-misy taty an-toerana ary dia nandefa masera 2 ny foibe tamin’ny 27 jolay ka hatramin’ny 4 aogositra 1982 mba hijery akaiky ny zava-misy hanampy amin’ny fanapahan-kevitra horaisina. Nandritra izany fotoam-pandinihana izany dia noheverin’ny fikambanana fa tsara hanokafana fivarotam-boky. Dia naroso tamin’ny Diosezy àry izany tolokevitra izany ka nekeny avy hatrany. Masera dimy avy amin’ny firenena 3 samy hafa (Italie, Canada ary Brézil) avy hatrany no voairaka ho aty Madagasikara tamin’ny 1978 mba hanatanteraka izany asa fitoriana ny vaovao Mahafaly izany. Ary nandritra ny 4 taona dia teny Antanimena izy ireo no nipetraka.

Ny Filles de Saint-Paul eto Antananarivo Analakely

Librairie Md Paoly Analakely, Antananarivo
 

Ny fikambanana dia voaantso sy voairaka hitory ny Vaovao Mahafaly sy ny fampivelarana ny maha olona eo amin’ny tontolon’ny serasera. Noho io asa anirahana ny Filles de Saint-Papul io dia nisokatra ny “Librairie Md Paoly” teo Analakely (35 Avenue de l’Indépenadance) izay notsofin’i Kardinaly Victor RAZAFIMAHATRATRA rano ny 10 Aogositra 1984. Ny 20 janoary 1987 kosa ry masera no nanorim-ponenana tao Analakely.

Ankoatra ny Librairie dia eto Antananarivo ihany koa no ahitana ny trano famoaham-boky “Edisiôna Md Paoly” sy ny trano fanontam-boky “trano fiasana Md Paoly”. Ny “trano fivarotam-boky sy ny trano famoaham-boky ary ny trano fanontam-boky” araka izany no fitaovana entin’ny masera Filles de Saint-Paul mitory an’i Kristy sy ny fampianarany amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

Marihana moa fa nifindra teny amin’ny 24 avenue de l’Indépendance Analakely ny librairie Md Paoly tamin’ny taona 1996 ka i kardinaly Armand Gaetan RAZAFINDRATANDRA no nitarika ny fotoam-pivavahana fitsofan-drano an’ity fivarotam-boky vaovao ity tamin’ny 25 nôvambra 1996.

Librairie Md Paoly Antananarivo
B.P 1622 Antananarivo (101)
Tel : 22 318 11 ; 03302 626 11 ; 02421 15647
Email : fsplibrairie@moov.mg

Ambodivoanjo Ivandry

Taona vitsivitsy taty aoriana, ny volana Martsa 1993 dia vita ny trano fiofanana (maison Sainte Thècle) natao handraisana sy hanofanana an’ireo tanora izay maniry te hanara-dia an’i Jesoa ato amin’ny Filles de Saint Paul. Ary nifindra nanaraka azy ireo teny ihany koa ny “trano fiasana Md Paoly” satria ireo no misahana ny fanontana printy.

Ho fitsinjovana an’ireo masera mpianatra sy noho ny fitomboan’isan’ ireo masera dia niorina ny ankohanam-piainana (Maison st Paul) tamin’ny taona 2000. Anisan’ny kodiarana iray amin’ireo kodirana faha efatra mampandeha ny fiainan’ny Filles de Saint Paul manko ny fianarana maha mpampianatra ny fikambanana amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana amin’ny mpiara-belona (asa anirahana).

Filles de Saint-Paul Ivandry, Antananarivo
  • Trano fanontam-boky (Ivandry)
    Maison Sainte Thècle
    Ambodivoanjo Ivandry
    Antananarivo
    Tél : 22 434 81
  • Maison Saint Paul
    Ambodivoanjo Ivandry
  • Edisiôna Md Paoly Antananarivo
    B.P 1622 Antananarivo
    Tél : 0344047266
    Email : fspedisiona@moov.mg

Ny Filles de Saint-Paul eto TOLIARA

Librairie Md Paoly Toliara

Tamin’ny volana febroary 2002 no nitsidika voalohany ny diôsezin’i Toliara ireo masera Filles de Saint-Paul telo mirahavavy. Taorian’ny fihaonana sy ny fifampiresahana tamin’ny eveka dia nanapa-kevitra ny Fikambanana fa hanokatra ankohanam-piainana. Araka izany dia nigadona tao Toliara ireo masera voalohany hanokatra izany ankohona-mpiainana izany ny 8 ôktôbra 2002. Nipetraka tao amin’ny tranon’ny diôsezy ao Sanfily aloha izy ireo nandritra ny 2 taona. Vao tonga ry masera dia nanokatra « librairie » vonjy maika tao amin’ny tokontanin’ny katedraly ao Tsianaloka. Tamin’ny 2006 dia vita ny fanamboarana ny trano ao Bazary be izay misy ny « librairie » sy ny trano fonenana ankehitriny, ary tonga nitso-drano izany i Monsenera RABEONY Fulgence tamin’ny 8 desambra 2006.

Ny Librairie Md Paoly eto Toliara dia manana “chapelle”mandray an’ireo olona maniry ny hivavaka na hanao “adoration” samirery.

Miara-miasa amin’ny paroasy sy ny distrika ary sekoly ihany koa ny masera Filles de Saint-Paul amin’ny apôstôlà izay ataony mba hitondra ireo boky masina sy mahasoa ilain’ny olona.

Librairie Md Paoly Toliara
Tél : 94 437 15 ; 03495090 53 ; 033 17 394 65
Email : librairiemdpaoly .tul@moov.mg

Ny Filles de Saint-Paul eto TOAMASINA

Toerana notsidihin’ny masera Filles de St-Paul, nandritra ny taona maro, isaky ny volana desambra, tamin’ny alalan’ny varotra fampiratiana boky ny sekoly sy ny paroasy teto amin’ny renivohitr’i Toamasina. Taty aoriana, rahefa nodinihina sy nifanakalozana hevitra tamin’ny Eveka io fandehanana makaty Toamasina isan-taona io dia teraka ny faniriana hanokatra ankohonam-piainana eto amin’ny diosezy mba hanitarana ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Tamin’ny 17 janoary 2017 àry ireo masera telo mirahavavy no nanomboka ny ankohonam-piainana sy nanokatra ny “Librarie Md Paoly” tao Bazar-be, saingy ny trano tamin’izay dia nofaina. Natao vain-dohan-draharaha aloha ny fifarakarana ny Librairie izay tiana hosokafana haingana araka izay azo atao, ka ny 27 janoary 2017 dia nisokatra ho an’ny sokajin’olona rehetra ny «Librairie Md Paoly». Natomboka avy hatrany koa ny fifandraisana tamin’ireo sekoly manodidina sy ny paroasy nanaovana ny varotra fampiratiana boky sy nampahafantarana fa efa miorim-ponenana eto Toamasina ny masera Filles de st Paul. Ankoatra an’izay, tsy natao ambanin-javatra ny fandehanana tany amin’ny tsenan’ny “quartiers”, izany moa dia araka ny fanentanan’i Papa François hoe «Eglizy mivoaka, manatona ny olona».

Fito taona atỳ aoriana, tamin’ny volana nôvambra 2023 dia vita ny trano eto amin’ny Cité de Douanes manatrika ny hopitaly kely ka nosokafana tamin’ny 19 nôvambra 2023 ny “Librairie Md Paoly”. Tsy ny eto an-tampon-tanàna sy ny manodidina ihany no hisitraka ny fisian’izao librairie izao fa eo ihany koa ireo rehetra aty amin’ny faritra atsinanana sy ny faritra Analanjorofo ary ny mpitsidika ny tanàna’i Toamasina avy amin’ny lafy valon’i Nosy.

Mampiavaka ity Librairie Md Paoly eto Toamasina ity ny fisian’ny “oratoire” na toerana atokana hivavahana. Ny vavaka no ifandraisantsika mivantana amin’Andriamanitra sy lalana azo antoka indrindra hiombonam-piainana aminy. Koa natao ity toeram-pivavahana ato amin’ny Librairie ity mba hahafahan’ireo rehetra te hihaona samirery amin’i Jesoa: te hanovo aim-panahy sy hery ary hazavana avy amin’i Jesoa Eokaritsia sy amin’ny Tenin’Andriamanitra noho ny antony samihafa. Fa indrindra solon-tenan’ireo mpiara-belona amintsika tsy an-kanavaka mitondra eo amin’Andriamanitra ny hafaliany sy ny tebitebiny ary ny fanantenany sy ny ahiahiny.

Librairie Md Paoly Toamasina
Tél : 034 12 224 51 ; 032 89 352 71
Email : librairiemdpaolytamatave@gmail.com

Librairie Md Paoly Toamasina

Ny Filles de Saint-Paul eto FIANARANTSOA

Librairie Md Paoly Ampasambazaha, Fianarantsoa

Tamin’ny 10 aogositra 2015 no tonga namaky lay teto Fianarantsoa ireo masera telo mirahavavy, ary trano nofaina tao Tambohobe no nipetrahana sy nanaovana ny “Dépôt-Vente”. Mba hahafahana maneho sahady ny ampahan’ny asa anirahana ny Filles de Saint-Paul dia ny fikarakarana an’io Dépôt-Vente io no noezahina tamin’ny herinandro voalohany; ka tamin’ny 17 aogositra dia nisokatra ho an’ny rehetra izany ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy maraina.

Natomboka ihany koa ny fifandraisana tamin’ireo pretra mitantana ny Paroasy sy ireo tompon’andraiky ny sekoly rehetra mba hampahafantarana ny fahatongavanay masera Filles de Saint-Paul eto Fianarantsoa sy mba hahazoanay mitondra ireo boky masina sy ireo boky fanabeazana hanatona ny kristianina sy ny mpianatra amin’ny alalan’ny varotra fampirantiana boky. Marihina fa nifanojo indrindra tamin’ny JMJ MADA VIII izay natao teto Fianarantsoa io fotoana nahatongavan’ny Fikambanana ka nandray anjara mavitrika niaraka tamin’ny Diôsezy tamin’izany izahay.

Tamin’ny 31 aogositra 2018, izany hoe telo taona tatỳ aoriana no nifindra teto Ampasambazaha ny Filles de Saint-Paul ary ny 4 septambra 2018 no nisokatra ny Librairie Md Paoly. Mbola tsy vita tanteraka ny fanamboarana ny trano tamin’izay fa toy ny tranon-dandy ka avy ao anatiny no manatevina.

Ankoatra ny Librairie izay toerana itoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fampivelarana ny maha olona; dia misy koa efitrano iray izay antsoinay hoe «salle d’animation». Ka ny antom-pisiany dia ny «fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fampivoarana ny maha olona» hatrany.

Eto Fianarantsoa ihany koa no toerana anombohan’ireo tanora tovovavy maniry ny hanome ny fiainany manontolo ho an’Andriamanitra sy ny vahoakany, amin’ny alalan’ny asa anirahana ny Fikambanana, dia ny hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana amin’ny mpiara-belona toy ny boky aman-gazety, horonam-peo, horonan-tsary, internet, sy ny “réseaux sociaux” isan-karazany, ary izay fitaovan-tserasera vaovao mbola ho foronin’ny zanak’olombelona.

Librairie Md Paoly Fianarantsoa
Tél : 033 86 989 51 ; 034 37 929 75
Email : librairiemdpaolyfianar@gmail.com