Nous sommes  religieuses Filles de Saint Paul, consacrées à Dieu pour l’Annonce de l’Evangile par les moyens de communication sociale. Maintenant nous sommes présentes dans 52 pays dans le monde. Le 15 Juin 1915, le Père Jacques Alberione fonda notre Congrégation à Alba,  Italie du nord. 

 Thérèse Merlo accepta avec une foi profonde et  répondit à l'appel qui lui a été adressé après avoir rencontré le Père Alberione. Le 22 juillet 1922, elle fit sa première profession  et prit le nom de Thècle. Sœur Thècle Merlo fut la première Fille de Saint-Paul et aussi la première supérieure générale.  Nous faisons partie de la Famille Paulinienne, qui a toutes été fondées par le Père Jacques Alberione : Société Saint-Paul, Filles de Saint-Paul, Disciples du Divin Maître, Sœurs de Jésus Bon Pasteur, Sœurs de la Reine des Apôtres, Jésus Prêtre, Saint-Gabriel Archange, Notre-Dame de l'Annonciation et l'Union des Coopérateurs Pauliniens.

Filles de Saint Paul

Filles de Saint-Paul International Filles de Saint-Paul International
 

Ny 15 jona 1915 tao Alba – Italia avaratra no datin’andro nahaterahan’ny Fikambanana, ary i mômpera Jacques Alberione sy i masera Tecla Merlo no «vy nahitana sy angady nanana» azy.

Tamin’ny fiantombohan’ny taon-jato faha-20 dia efa tsinjon’i mômpera Alberione sahady fa hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny Eglizy ny vehivavy ankoatra ny ao an-tokantrano.

Tamin’izany fotoana izany manko dia matetika no tsy noraharahaina loatra ny vehivavy. Tokony hialana anefa io fomba fijery io, hoy izy, satria tena manana ny maha izy azy tokoa ny vehivavy. Koa tsy nisalasala i mompera Alberione niantso vehivavy hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, toy ny “Société Saint Paul” 

Masera Filles de Saint-Paul eto amin’izao tontolo izao

«Izao tontolo izao no faritra ho anareo, miaraha mandrakariva amin’ny Eglizy amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly» (Mômpera Jacques Alberione, olontsambatra).

Hatrany am-piandohana, tany Alba (Italia avaratra), tamin’ny taona 1915 dia efa nambaran’ny mpanorina fa ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao ny Fikambanana. Ka amin’izany dia manokana ny fiainana manontolo ho an’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fampivoarana ny maha olona, amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, ny mpikambana.

Manohy ny dian’i Md Paoly izahay ary tsy mihataka amin’izao tontolo izao. Fa araka ny fanomezam-pahasoavana manokan’ny Fikambanana dia voaantso izahay ho misiônera, «hivelona sy hanome an’izao tontolo izao an’i Jesoa Mpampianatra, Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana»

Ny taona 1926 no tonga tao Rôma ny Fikambanana, nanomboka teo dia niitatra tamin’ny faritra maro tao Italia izy ary nanokatra fivarotam-boky tamin’ireny toerana ireny, nitsidika Eglizy, sekoly ary fianakaviana nitondra ny Vaovao Mahafaly sy ny boky mahasoa isan-karazany isan-tokantrano.

Tamin’ny taona 1931 kosa dia nanomboka nivoaka an’i Italia ka niampita ny ranomasina nankany Brésil sy Argentine, avy eo tany Etats-unis sy Philippines ireo misiônera voalohany.

Niitatra tsikelikely hatrany izany ka amin’izao fotoana izao dia firenena 52 manerana ny kôntinanta dimy no misy ny masera Filles de Saint-Paul.

Anisan’ny firenena anankiray amin’ireo firenena 52 eran-tany misy ny Fikambanana i Madagasikara. Tamin’ny 1983 ireo masera 5 mirahavavy no tonga tao Antananarivo. Amin’izao fotoana izao izahay dia mikatroka amina diôsezy 4: Antananarivo, Toliara, Fianarantsoa ary Toamasina. Eto amin’ny Nosy izahay dia manana ny Fivarotam-boky na Librairie sy trano famoaham-boky “Edisiôna Md Paoly” ary trano fanontana printy izay ao amin’ny trano fiofanana.