Asa anirahana
Ny asa manokana anirahana ny Masera Filles de St Paul eo anivon’ny Fiangonana àry dia izao: MITORY AN’I JESOA KRISTY AMIN’NY OLONA ANKEHITRINY amin’ny fomba ankehitriny: dia ny fitaovam-pifandraisana sôsialy (Moyens de Communication Sociale): Boky aman-gazety, Revio, fampielezam-peo, sarimihetsika, horonam-peo, Radio, televiziona, sy hairaha ankehitriny (internet, facebook, youtube,...) hahazoana mifandray amin’olona marobe eran’izao tontolo izao indray miaraka.
Raha entin’ny fitaovam-pifandraisana sôsialy ny Tenin’Andriamanitra, dia tojo ny olona eo amin’izay misy azy amin’ny fianany isan’andro.
“Amin’izao androntsika izao, hoy ny Papa Paoly faha-VI, dia efa tonga anisan’ny foto-piainantsika ny “Mass-Media”, ka tsy azon’ny Eglizy atao ny tsy mahafantatra an’ireny fitaovana ireny sy tsy mampiasa azy hanolorana ny Hafatry ny Famonjena eo amin’ny taranak’olombelona”
“Izay hain’ny olombelona foronina noho ny fandrosoana, dia tsy maintsy ampiasaina hitoriana an’i Jesoa Kristy. Ny sisin-taninareo dia ny faran’izao tontolo izao. Mandrosoa lalandava miaraka amin’ny Elglizy mba hitory ny Evanjely”, hoy i Mômpera Mpanorina.
Ny trano famoaham-boky paolinianina (Edisiôna Md Paoly) dia trano famoaham-bokin’Andriamanitra.
Ny trano fanaovam-printy, ny efitra fandraisam-peo, ny fivarotam-boky sy ny toeram-piasana hafa rehetra: ireny amin’ny Filles de St Paul no “Eglizy” anambarany ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy.
Ny Trano Fivarotam-boky paolinianina dia toerana fihaonana, toeram-pahazavana sy fandinihana ho an’izay eo am-pitadiavana an’Andriamanitra.
Ny trano fivarotam-boky paolinianina dia toerana fanaovana Apostolà.
Tsy raharaham-barotra no imasoana eo fa asa fanompoana; tsy toeram-pivarotana, fa toeram-pampielezana; tsy natao hahazoam-bola, fa hitorian ny Evanjely.
Ny olona tonga ao dia mpiara-miasa. Ny trano fivarotam-boky dia Tempoly; ny mpitana azy dia mpitory teny; ny toeram-pivarotana dia polipitra fitoriana ny fahamarinana.
Kristy manontolo ho an’ny olona rehetra ary ny olona rehetra ho an’i Kristy.
Amin’ny lalany rehetra, na amin’ny fiainany mangingina sy tsy hitan’ny olona izany, na eo afovoan’ny tabataba sy izao karazan’asa samihafa iandraiketany rehetra izao, dia tokana ihany ny tarigetra banjinin’ny Masera Filles de St Paul lalandava: NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA SY NY FIADANAN’NY OLOMBELONA.
Ny asa anirahana ny Masera Filles de St Paul dia “fandraisana anjara mivantana amin’ny asa fikolokoloan’ny Eglizy ny ondrin’ny Tompo, dia ilay Eglizy izay mihevitra fa adidiny ny mampiasa koa ny fitaovam-pifandraisana sôsialy mba hitoriana ny hafatry ny famonjena, ary adidiny koa ny mampianatra ny olona hampiasa an’ireny amin’ny tsara”, araka ny tenin’ny Kônsily Vatikàna II.
Tsapan’izy ireo fa ao amin’ny Eglizy dia misy lahasa iantsoana azy ireo hotontosaina; tsapany koa fa misy fijoroana ho vavolombelona eo anatrehan’ny vahoakan’Andriamanitra izay izy ireo no tsy maintsy maneho azy.
© 2024 Edition Md Paoly - Avenue de l'indépendance Analakely - Antananarivo - Madagascar - tel : 034 21 156 47 - email : fsplibrairie@moov.mg