Asa anirahana

Ny asa manokana anirahana ny Masera Filles de St Paul eo anivon’ny Fiangonana àry dia izao: MITORY AN’I JESOA KRISTY AMIN’NY OLONA ANKEHITRINY amin’ny fomba ankehitriny: dia ny fitaovam-pifandraisana sôsialy (Moyens de Communication Sociale): Boky aman-gazety, Revio,  fampielezam-peo, sarimihetsika, horonam-peo, Radio, televiziona, sy hairaha ankehitriny (internet, facebook, youtube,...) hahazoana mifandray amin’olona marobe eran’izao tontolo izao indray miaraka.

Raha entin’ny fitaovam-pifandraisana sôsialy ny Tenin’Andriamanitra, dia tojo ny olona eo amin’izay misy azy amin’ny fianany isan’andro.

“Amin’izao androntsika izao, hoy ny Papa Paoly faha-VI, dia efa tonga anisan’ny foto-piainantsika ny “Mass-Media”, ka tsy azon’ny Eglizy atao ny tsy mahafantatra an’ireny fitaovana ireny sy tsy mampiasa azy hanolorana ny Hafatry ny Famonjena eo amin’ny taranak’olombelona”

“Izay hain’ny olombelona foronina noho ny fandrosoana, dia tsy maintsy ampiasaina hitoriana an’i Jesoa Kristy. Ny sisin-taninareo dia ny faran’izao tontolo izao. Mandrosoa lalandava miaraka amin’ny Elglizy mba hitory ny Evanjely”, hoy i Mômpera Mpanorina.

Ny trano famoaham-boky paolinianina (Edisiôna Md Paoly) dia  trano famoaham-bokin’Andriamanitra.

Ny trano fanaovam-printy, ny efitra fandraisam-peo, ny fivarotam-boky sy ny toeram-piasana hafa rehetra: ireny amin’ny Filles de St Paul no “Eglizy”  anambarany ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy.

Ny Trano Fivarotam-boky paolinianina dia toerana fihaonana, toeram-pahazavana sy fandinihana ho an’izay eo am-pitadiavana an’Andriamanitra.

Ny trano fivarotam-boky paolinianina dia toerana fanaovana Apostolà.

Tsy raharaham-barotra no imasoana eo fa asa fanompoana; tsy toeram-pivarotana, fa toeram-pampielezana; tsy natao hahazoam-bola, fa hitorian ny Evanjely.

Ny olona tonga ao dia mpiara-miasa. Ny trano fivarotam-boky dia Tempoly; ny mpitana azy dia mpitory teny; ny toeram-pivarotana dia polipitra fitoriana ny fahamarinana.

Kristy manontolo ho an’ny olona rehetra ary ny olona rehetra ho an’i Kristy.

Amin’ny lalany rehetra, na amin’ny fiainany mangingina sy tsy hitan’ny olona izany, na eo afovoan’ny tabataba sy izao karazan’asa samihafa iandraiketany rehetra izao, dia tokana ihany ny tarigetra banjinin’ny Masera Filles de St Paul lalandava: NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA SY NY FIADANAN’NY OLOMBELONA.

 

Ny asa anirahana ny Masera Filles de St Paul dia “fandraisana anjara mivantana amin’ny asa fikolokoloan’ny Eglizy ny ondrin’ny Tompo, dia ilay Eglizy izay mihevitra fa adidiny ny  mampiasa koa ny fitaovam-pifandraisana sôsialy mba hitoriana ny hafatry ny famonjena, ary adidiny koa ny mampianatra ny olona hampiasa an’ireny amin’ny tsara”, araka ny tenin’ny Kônsily Vatikàna II.

Tsapan’izy ireo fa ao amin’ny Eglizy dia misy lahasa iantsoana azy ireo hotontosaina; tsapany koa fa misy fijoroana ho vavolombelona eo anatrehan’ny vahoakan’Andriamanitra izay izy ireo no tsy maintsy maneho azy.

Filles de Saint Paul

Ny asa anirahana ny Filles de Saint Paul

Ny asa manokana anirahana ny masera Filles de Saint-Paul eo anivon’ny Eglizy sy izao tontolo izao dia ny: Mitory an’i Jesoa Kristy amin’ny olona ankehitriny, amin’ny fomba ankehitriny dia ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, toy ny: boky aman-gazety, revio, radiô, televiziôna, sinema, vidéo, CD, DVD, téléphone , facebook, internet,... sy ny fitaovan-tserasera vaovao hoforonin’ny fahaizan’ny olombelona ka ahazoana mifandray amin’ny olona marobe indray miaraka.


Ireo sehatra ikatrohana: 

  • Trano famoaham-boky (edisiona Md Paoly) 
  • Trano fanontam-boky
  • Trano fivarotam-boky (librairie Md Paoly)
  • Varotra fampirantiana boky (Sekoly, fiangonana,...)
  • Radio
  • Televiziôna
  • Site internet

Ary hoy i mômpera Alberione: «Tsy maintsy entina eo amin’ny fiainana sy ny kolontsainan’ny olona ny Evanjely... Koa ny trano fivarotam-boky paolinianina dia Tempoly, ny mpitantana azy dia mpitoriteny, ny latabatra fivarotana dia polipitra fitoriana ny fahamarinana. Ny trano fivarotam-boky paolinianina dia Trano famoaham-bokin’Andriamanitra. Toerana hihaonana, toeram-pahazavana sy fandinihana ho an’izay eo am-pitadiavana an’Andriamanitra. 

Ny trano fanaovam-printy, ny efitra fandraisam-peo, ny fivarotam-boky sy ny toeram-piasana hafa rehetra, ireny ho an’ny Filles de Saint-Paul no fiangonana itoriany ny Evanjelin’i Jesoa.» 

Fivarotam-boky ho an’ny rehetra

Tamin’ny taona 1984, herin-taona taorian’ny nahatongavan’ny masera Filles de Saint-Paul teto Madagasikara, tao amin’ny diôsezin’Antananarivo dia nosokafana ny Librairie Md Paoly ao Analakely Antananarivo. Io no librairie voalohany, toerana fivarotam-boky tantanan’ny Fikambanana mba hahafahany manatontosa ny iraka anirahana azy eo anivon’ny Eglizy sy izao tontolo izao, dia ny: hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona.

Inona ny Librairie ho anay masera Filles de Saint-Paul?

Araka ny efa namaritan’ny Mpanorina ny Fikambananay hatrany am-piandohana, ho anay masera Filles de Saint-Paul ny trano fivarotam-boky dia Eglizy, toerana fitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Ka ireo miasa ao no mpitory sy vavolombelon’ny Teny, ary ireo latabatra no fitorian-teny na polipitra fitoriana ny fahamarinana.

Ny Librairie Md Paoly àry dia tsy toeram-pivarotana na mangazay toy ny mety hamaritan’ny olona azy, fa toerana fitoriana ny Vaovao Mahafaly, Eglizy, izany hoe: toerana masina ho an’ny fampielezana ny hafatr’Andriamanitra. Toerana ahafahan’ny olona mahita ny hazavana ilaina eo am-pikarohana ny tena hasambarana marina sy ny valin’ireo fanontaniana mampitebiteby azy. Ary izay rehetra mandalo ao dia mpiara-miasa aminay daholo.

Eny, tsy maintsy hapariaka any amin’ny toerana rehetra misy ny vahoaka ny Tenin’Andriamanitra. Koa tianay ny ho tanana mamafy ny masomboly kely alatsaka eo amin’ny fiaraha-monina.

Tianay ny ho varavaram-piangonana misokatra mandrakariva hidiran’ireo rehetra mitady fanampiana eo amin’ny fiainany am-panahy. Fanampin’izany, ny fivarotam-bokin’ny masera Filles de Saint-Paul koa dia fitaovana mikendry ny fanatsarana sy fampivelarana ny maha olona sy ny kolontsaina.

Inona avy no hita ao amin’ny “Librairie Md Paoly”?

Ny “Librairie Md Paoly” dia manana tanjona mazava: atao hitoriana ny Vaovao Mahafaly sy hampielezana ny hafatr’Andriamanitra izy ary hampivelarana ny maha olona.

Misy boky maro isan-karazany ao amin’ny Librairie. Voasoratra amin’ny teny malagasy ny ankamaroan’izy ireny, fa ahitana boky voasoratra amin’ny tenim-pirenena hafa toy ny teny frantsay sy ny teny anglisy ihany koa ao.

Ireo boky ireo dia azontsika sokajiana, araka ny loha-hevitra: momba ny Baiboly sy ny Soratra Masina (Baiboly, Testamenta Vaovao, Vaovao Mahafaly, fivoasana ny Tenin’Andriamanitra, fianarana ny Baiboly,...), momba ny vavaka (boky fivavahana, boky fanarahana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, fihirana, ...), ny fandalinam-pinoana sy ny fiainana kristianina (boky katesizy, tantaran’ny olomasina, aim-
panahy,...), ny fampianaran’ny Eglizy, ny fanabeazana, ny fambolena sy ny fiompiana, ny boky fianarana, sns. Na araka ny sokajin-taona: boky ho an’ny ankizy, tanora, olon-dehibe, zokiolona. Na araka ny sokajin’olona: ray aman-dreny, mpianatra, mpampianatra, mpanabe, mpamboly, mpitsabo, mpiasa birao, pretra, relijiozy, kristianina, tsy kristianina, sns...

Fehiny, tahaka ny Eglizy izay manana fo midanadana handray ny olona rehetra tsy an-kanavaka dia toy izay ihany koa ny Librairie Md Paoly iandraiketan’ny Filles de Saint-Paul: fivarotam-boky ho an’ny olona rehetra izy.

Fa ankoatra ny boky aman-gazety dia ahitana sary masina, cartes, CD mbamin’ny DVD misy hira sy feon-kira, ary horonantsary (films), posters, sapile, meday... ihany koa ato amin’ny Librairie Md Paoly.

Ho an’iza ny Librairie Md Paoly?

Izahay masera Filles de Saint-Paul izay mampiaina ity fivarotam-boky ity dia miezaka mihaino ny olona mandrakariva amin’izay ilainy mba hitomboany amin’ny lafiny manontolo: ny maha olona sy ny maha kristianina.

Tsy mialonjafy noho izany ny librairie ka afaka manovo fahasoavana avokoa ireo rehetra miditra ao, ary miara-tompony aminay izy satria librairie-ntsika ny Librairie Md Paoly.

Ny tena fanirianay dia ny hahatonga ny Librairie Md Paoly:

  • ho fivarotam-bokinao,
  • ho toeram-pifanakolazan-kevitra sy fifandraisana mikendry ny fiarahan-dia,
  • ho toerana hanovozana fahalalana sy fahaiza-miaina,
  • fa indrindra indrindra ho toerana hihaonanao amin’Andriamanitra.

Ankasitrahanay araka izany ireo soso-kevitra avy aminareo, ary tianay ny hahafantatra izay fanirinareo mba hamalianay izany tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fikatsahana ny fiadanana ho an’ny olombelona.