NY FIAINAM-PANAHIN’IREO MASERA FILLES DE ST PAUL

Voafintin’i Mômpera Alberione toy izao ny fiainam-panahin’ny Filles de St Paul: Mivelona manontolo ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, araka ny toe-tsain’i Md Paoly, eo ambany fiarovan’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Apôstôy”.

Ny Eokaristia, ny Tenin’Andriamanitra sy ny fibanjinana an’i Jesoa Mpampianatra no iveloman’ny fikambanana.

Ny Masera Filles de Saint Paul dia antsoin’Andriamanitra hanokana ny fiainany manontolo ho an’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra.

Antitraterin’i Mômpera Alberone fa tena ilain’ny vatan’ny olombelona ny sakafo mba hahazoana antoka fa ho afaka hiaina amim-pahamendrehana izy. Tena zava-dehibe ary adidy napetraka hiantsorohanay, koa araka izany ny mizara ny Tenin’ny Fiainana, mofon’ny Evanjely, mba hamokisana ilay fanahin’olona noana ny Fahamarinana sy mangetaheta an’Andriamanitra.

Nanasa anay Filles de Saint Paul i Mômpera Alberione mba hametraka ny Tenin’Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny iraka ankinina aminay. Fa hoy koa izy: “Tsy momba ny finoana ihany no ambarao fa ny zavatra rehetra no lazao amin’ny fomba Kristianina”. Ampitainy taminay koa fa tokony homen-danja ny fampiasana ny fitaovan-tserasera, ary mitady fomba vaovao hatrany hanapariahana ny Evanjely, amin’ny fiezahana hanatona ny olona: eny amin’ny sampanan-dalana rehetra eny, amin’ny toerana hihaonan’ny olona amin’izay dia hihamaro ireo hahalala an’i Jesoa sy handray Azy.

Filles de Saint Paul

SPIRITUALITE DES FILLES DE ST PAUL