FIAINAM-PANAHIN'NY MASERA FILLES DE ST PAUL
Fanomezam-pahasoavana
Noho io fiantsoana izay fanomezana avy amin’ny Ray io dia manana andraikitra izahay hivelona lalina kokoa ny fahasoavana vokatry ny sakramentan’ny batemy sy ny fankaherezana ary hanao ny fiainanay ho famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Miaina eo anivon’ny ankohonan’ny mpirahavavy izahay, ary atokanay manontolo ho fanompoana ny Evanjely sy ny vahoakan’Andriamanitra ny fiainanay, ny herinay, ny ainay, ny fahaizanay.
Ny fiainam-panahy
Voafintin’ny mpanorina toy izao ny fiainam-panahinay: «Mivelona manontolo ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Mpampianatra, Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana tahaka ny niveloman’i Md Paoly Azy, eo ambany fiarovan’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Apôstôly”.
Ary ao amin’i Jesoa Eokaristia sy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary eo anivon’ny ankohonam-piainana izahay no manovo ny hazavana sy ny hery rehetra entina miaina ny fiantsoana anay isan’andro.
I Jesoa Mpampianatra
Izy no manentana anay ka mahatonga ny asanay ho fanompoana sy mampanjary ny fiainanay manontolo ho fivavahana tsy tapaka.
I Md Paoly
Ny anarana entinay hoe Filles de Saint-Paul dia maneho miharihary ny fifandraisanay lalina amin’i Md Paoly.
Tsy hoe mpiaro anay fotsiny i Md Paoly fa tena ray, mpanolotsaina, môdely sy fakan-tahaka amin’ny fomba fanarahan-dia an’i Jesoa sy ny fitoriana an’i Jesoa Kristy Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan’ ny mpiara-belona. Môdely ho anay izy amin’ny fiombonam-piainana amin’i Jesoa Kristy, ka nilazany mazava hoe: «Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko” (Galata 2,20).
Izy ihany koa ilay Apôstôly tsy nahalala sisin-tany nitory an’i Kristy sy ny hafany hatraiza hatraiza. Ka hoy izy: «Raha mitory ny Vaovao Mahafaly aho dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho.» (1Kôrintianina 9,16)
I Masina Maria Mpanjakavavin’ny Apôstôly
Izy no mpanabe mitantana anay amin’ny fandraisana ny fampianaran’i Jesoa sy manofana anay amin’ny fiainan’ny apôstôly.